Zanak'Androy (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nisy mpanjaka an-tanàna Antandroy e
Niteraka zaza kambana 2
Ny renin-jaza efa maty nafoy
Nandao ny tany mialoha
Ny dadabe, dadaben’ny tanàna
Mpanolo-tsain’ilay mpanjakabe
No niandraikitra ny fitaizana
Nanao izay naha-lehibe
Nampianariny nangalatr’omby e
Raha tsy izany tsy zanak’androy
Nampianariny nampiasa ody e
Raha tsy izany tsy zanak’androy

Taranaka tena Zafimanara anie izy e
Taranaka tena manana tantara anie izy e!
Taranaka tena Zafimanara anie izy e
Taranaka tena manana tantara anie izy e!

Tonga irony vahiny tan-dafy
Nitondra fomba fitaiza hafa koa
Fomba fisaina sy fomba fitafy
Tena nanova ny loha

Nisy ny hendry tsy mba nino lainga
Ka nankasitraka an’i Dadabe
Ny iray kosa dia lasa nanainga
Nentin’ireo vazaha be

nampianariny ny fomba ratsy e
Hamonona ny zanak’androy
Nampianariny nampiasa basy e
hiazàna ny zanak’androy

tsy isan’ny tena zafimanara anie izy e
ilay ndaty ts mety mino ny tantara anie izy e
tsy isan’ny tena zafimanara anie izy e
ilay ndaty ts mety mino ny tantara anie izy e


Tonga ny andro fangataham-bady
Araka ny fombafomban’ny tany
Lasa ny hendry nizaha omby tany
Hatao takalom-bady

Indrisy fa sendra ny andia-miaramila
Tao ilay ndaty kambana aminy
Nifampijery, nifampihila
Nitraka ny basiny

Dia nasiany ny mpangalatr’omby e
Basilava sy ny basifohy
Dia namaly ny mpangalatr’omby e
T@ pliotra sy lefom-pohy

Taranaka tena zafimanara anie izy e
Taranaka maty teo am-piadiana anie izy e
Taranaka tena zafimanara anie izy e
Taranaka maty teo am-piadiana anie izy e

Nisy mpanjaka an-tanàna Atandroy e
Nisaona ny zaza kambany 2
Maty ny zanany, maty nafoy e
Niady ka dia samy voa, …fa:

Tsy hitomany tsy hikiaka izy e
Raha tsy izany tsy zanak’androy
Tsy hitomany tsy hikiana izy e
Raha tsy izany tsy zanak’androy…
--------
Rohy:
Hevitra
a.ttly ( 20/08/2015 08:09)
Isan/ny tena tsara ity hira ity. Fa raha tsy diso aho de tsy ampy kely ny tonony farany eto. Mbola tokony hisy hoe:
Taranaka tena zafimanara anie izy e
lay Ndaty namoy ny dimby sy ny farany izy e (2x)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 4880
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ledada
Daty : 24/01/2007 07:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761