Kely tsy mba niteny (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nisy fotoana tonga lafatra
Fa nahavitako zava-dehibe
Ny lanitra no tsy takatro
Fa ny tontolo midadasika be!
   Lasa namonjy ny tanànanao aho
   Vononkiteny aho vononkitalaho
   Lavitra ny làlana mankany  
   Mbola todiko ihany
REF:
Saingy teo anilanao
Tsy nahita ny hatao aho
Zanak’olona ihany
Zana-bovoka antany
Kely tsy mba niteny aho
Resin’ny hatsaranao
Resin’ny volanao
Resin’ny tontolonao
    
   Nisy maraina tena hafakely
   Fa toy ny (tara)2 Diamondra
   Ianao nanafatra sombiny kely
   Ka izaho nitondra
Lasa namonjy ny tanànanao aho
Tonga hitantara maraina aminao aho
Maro ny olona mihaody any
Izaho mbola tonga ihany
REF:
  Saingy teo anilanao aho
  Tsy nahita ny hatao aho
  Zanak’olona ihany
  Zanabovoka antany
    Kely tsy mba niteny aho
    Resin’ny hatsaranao
    Resin’ny volanao
    Resin’ny tontolonao    
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 3261
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ndrianja
Daty : 27/01/2002 15:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1986