I lery (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitanao vare ilay rangahy mandeha
Ny volo fotsy sasaka
Ny fijery lanak’i lery!

Ny lamosiny nibata ny tontolo
Nandritry ny taona,taona 50 i lery!

Tsy mba nazoto kanefa tsy nalaina
Ny miady mafy mifoha maraina (isanandro)2

Io any izy izao valabalaka famindra
Nefa ny heriny tato amiko nifindra lery

Faly any izy izy izao
Mahita anay lehibe
Afaka mijoro ataony rehareha lery

Ny adin-tsainy tazominy ho azy
Sarotsaromany ny vazivaziny (isanandro)2

Ankehitriny any izy efa lavitra anay
Izay ny foko vao malahelo marary ery

Tsy mba nahatsiaro nijerijery azy
Fony izy mbola nanodidina ahy tety

Ny saina tamin’izany mbola saina Zazakely
Ka tsy omby izany
Tsy omby velively (fa varina)2

Hitanao vare ilay rangahy mandeha?
Ny volo fotsy sasaka ny fijery lanak’i lery!
Ny lamosiny nibata ny tontolo
Nandritra ny taona,taona 50 n’i Dada!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 3333
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 14/03/2002 18:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755