Dimbaka avy any Nazareta (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa maty jiro ange
Ny ao antanàna malaza(2fois)
E!ary ambony ary
Toa misy feon-gitara(2fois)
  Fa ao hono misy tovolahy
  Lava volo sy volombava
  Ka mihirahira mafy hoe
  Mifankatiava f’aza miady a!(2fois)
Fa ny tranon’i lery
Tsy mba mikatona intsony
Fa misokatra foana
  Ka midikiditra ange
  Izay akamany any a!
  Ny tsy akamany any a!
Fa tsy mba natory hono ange
Ny tao antanàna malaza
Fa vahoaka maro anisa re
  Nihirahira mafy hoe
  Mifankatiava f’aza miady a!(2fois)
Fa nony hariva be
Tonga namangy anazy
Zandary sy ny basy
  Fa ilay Ranamana
  Nitory ny tsy fiteny
  Niteny ny tsy fitory
Fa fony izy lasana nandeha
Nanafatrafatra hoe
Izaho a!ka mbola hiverina eto ange ka
Mifankatiava f’aza miady a!(3fois)

  Na izaho a!na ianao a!
  Dia samy miandry
  (An’ilay Dimbaka avy any Nazareta
  Izay namadika ny rano
  Ny rano ho lasa Py)(2fois)
Tena tsara revy any izy e!
Raha mba miaraka aminay
Izahay mangetaheta  
  Tena tsara revy any izy
  Raha mba miaraka aminay
  Ho revy tsy vohafetra
(Lay Dimbaka avy any Nazareta
Lay tapa-mofo kely no nataony monjy be)(2fois)
  Tena tsara revy any izy
  Raha mba miaraka aminay
  Zahay no mosarena
Tena tsara revy any izy
Raha mba miaraka aminay
Zahay no mosarena
  Tena tsara revy any izy
  Raha mba miaraka aminay
  Zahay mahantra arena
(Saingy isika no diso
No diso tamin’izany)(2fois)
  Na izaho a!na ianao a!
  Ka samy miandry
  An’ilay Dimbaka avy any Nazareta
  Izay nizara ny lambany
  Amin’ny olona mangitsy
Lay Dimbaka avy any Nazareta
Ilay mba nanome nizara tsy nitsitsy
Tarin’ny Anjely any izy
Ka nanaraka azy tany
Any andanitra any
  Tena tsara revy any izy
  Raha mba miaraka aminay
  Ety ambony tany
(Saingy isika no diso
No diso tamin’izany)(2fois)
  Na izaho a! na ianao a!
  Ka samy miandry
( An’ilay Dimbaka avy any Nazareta
  Izay namadika ny rano
  Ny rano ho lasa Py)(2fois)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 8507
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ndrianja
Daty : 27/01/2002 16:35
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214