Bonbon Gasy (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy tany am-parihin’Itasy aho omaly
Tsy nahita ilay voninkazo tianao
Ka indro nitondra ireo bonbo gasy
(Porofom-pitiavako anao) ka ny mamy omeko anao!

Bonbo mantsy
Misy loko maro
Ho entina mahatsiaro ireo zava-maro nataonao taloha
Bonbo mantsy
Mba voninkazoko

Ariary tokony hahazahoako sigara
Naleko nihafy tsy nifoka akory
Naleko nividy ireo bonbo gasy
Eo anilanao aho mihafy

bonbo mantsy
Maharitra am-bava
Mora mampisavava (ireo zava-maro nataonao taloha) ny gidin’ny fiainana
fa mankalao!
Bonbo mantsy
No solon-tsigara

Sendra an-dry zalahy aho voatery nitsoaka
Naleoko nihafy tsy nisotro toaka
Naleoko nividy ireo bonbo gasy
eo anilanao aho mihafy

Bonbo mantsy
(Eo anilanao) zaraina aminao
Toa tsy mankalao fa mamy daholo izao tontolo izao
Bonbo mantsy
Mba fifaliana koa

Fa maiky ny hamonjy ny anilanao
Ka indro solafak’ity havanao
Indreo nianjera ireo bonbo gasy
Tomany aho, nagasihasy

Bonbo mantsy
Raha sendra ka very
Tsy maha-te-hijery ireo masonao efa nanantena
Bonbo mantsy
Mba fahoriana koa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 10895
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/11/2001 05:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0909