Amin'ny anaran'ny tolona (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Amin'ny anaran’ny tolona
Izay natao, rahalahy
Isika norahonan’olona
Niafina sy niahiahy
Nihitsoka tanaty kizo
Petsapetsa nihosin-drà
Amin’ny anaran’ny tolona
Meteza aloha hihaino ahy

Isika izany toa variana
Tsy mijery akaiky intsony
Ireo kozy toa nariana
Zara lasa honohono
Ry Koto sy ry Kala mantsy
Tsy mba nanantena izany
Nampiadiana ka voafantsy
Miodinkodina amin’ny tany

Ialao 'lay fikabe
Andosiro tsy mitahy
Amin'ny anaran’ny tolona
Izay natao, rahalahy.

Amin'ny anaran’ny tolona
Izay nataontsika leiroa
Sy ireo namantsika maty sy nivaky loha
Aminy anaran’ny Gadra
Izay nangeja antsika taloha
Sokafy kely ny sofina
Meteza hihaino ahy aloha

Lany lainga isika izao
Tsy mba misy ahambara intsony
Revirevy mangatsika
Bobo-toaka sy rongony
I Koto sy ry Kala mantsy
Tsy mba nanantena izany
Izy ireo no manefa
Izany revin-tsika izany.

Ialao ilay fikabe
Andosiro leiroa
Aminy anaran’ny tolona
Izay natao taloha

Aminy anaran’ny tolona
Izay natao ho kamarady
Be ireo namantsika no kepoka sy mafiady
Aminy anaran’ny olona
Navarintsika tany ankady
Atsaharo kely aloha ny kabary ambony vavahady

Lany bala tsy mandeha
Efa hitantsika izao
Ry zareo mihomehimehy
Ny hafa mbola mitalaho
Koto sy ry Kala anefa
Tsy mba nanantena izany
Rizreo no manefa
Voahitsaka natao kaly

Ialao ilay fikabe
Andosiro fa tsy miady
Aminy anaran’ny tolona
Izay natao, kamarady
Ialao ilay fikabe
Andosiro fa tsy miady
Aminy anaran’ny olona
Navarintsika tany an-kady
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 5880
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 02/03/2002 19:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116