Izy mandrakizay (Les Adeline)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
IZY MANDRAKIZAY

Omeko anao izao hirako izao
Hira iray tsy mba mety mankalao
Ataoko mety hamalifaly anao, ho anao
Henoy foana dia ataovy eo akaikinao an!

Sarobidy foana no mihira azy io
Hankafiziko, fa io no ahy tokoa, tokoa
Tsy avelako ho potika fa io no ahy hatrany, hatrany
Ataonay foana izay hitiavanao azy e! e! e!

Miantso anao ho sambatsambatra aho
Hira fiderana no atolotro anao eto
Raiso re ka aza atositositosikao
Fa io no ahy mandrapaha-potika

Androany iano mety ho tonga saina @ izao
Jesoa deraiko aminao, Izy foana e! Izy foana an!
Ary ny talentako, hiderako indray ilay Tompoko
Izy no manampy ahy, Izy foana e! Izy foana an!
Ahy mandrakizay, Izy foana e! Izy foana an!
N’inona n’inona, Izy foana e! Izy foana e!

A/C: Sarobidy’ ny Finoana

LES ADELINE
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Les Adeline
Vangy : 3360
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lejoba
Daty : 18/02/2009 17:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4204