Derao Jeso (Les Adeline)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anio raha tonga eto hanatrika izao fiderana sy asa fitoriana izao ianao
Ka olana maro mifamahofaho sy saro-bahana no entinao eto anio
Sosokevitra tsara no atolotro anao ary tena azo antoka fa hamaha ny olanao

Derao, Derao Jesoa

Andinoy ny alahelo sy ireo fahoriana sy izay mikiky ao am-ponao mangina ao eh !
Asandrato ny Tompo dia ho tsapanao ny heriny hiasa hanafana anao anio
Hadinoy izay rehetra mety hanavesatra sy hampisavorovoro ny sainao

Derao, Derao Jesoa

Fa raha toa ka tsaroanao fa mbola ao foana mamatotra anao ny alahelo sy ny jaly
Ka ny fo sy ny saina dia tsy tafatombona mitaintaina manahy sy marary  
Asehoy ny finoana ombam-piderana asandrato ny Tompo Jesosy fa mahery
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Les Adeline
Visites : 972
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Donna santatra
Date : 30/03/2023 09:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0826