ZANY NO FIAINANA (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.  Vao  teraka  eo  ialahy  mivoaka  ny  vavahady      )
     Herintaona  ialahy  efa  mandady                          )  2x
     Folo  taona  ialahy  mandeha  mibalady                 )
     Roapolo  taona  ialahy  lasa  manambady.             )

              Réf.    E !  zany  no  fiainana
                        E !  zany  no  fiainana  lehity  e !
                        Alefaso  ny  fisainana
                        Ô ô ô  eto  amin’ity  tany  ity.

2.  Manomboka  eo  ialahy  efa  mahatazana
     Fa  ny  fiainana  mandroso  mihamazana
     Mikainko-kozatra  manidinidy   vazana
     Porofo  fa  manatomotra  ao  razana.

3.  Manao  ny  tsara  ialahy  be  ny  mpankahala
     Manao  ny  ratsy  ialahy  tiana  sy  malala
     Sakodim-piainana  mampisalasala
     Raha  maty  anefa  ialahy  toy  ny  zezika  any  am-bala.

4.  Ny  maraina  ialahy  mpitia  manao  firavaka
     Ny  atoandro  ialahy  miseho  manavakavaka
     Ny  hariva  ialahy  miforitra  mivavaka
     Rehefa  alina  latsaka  any  an-davaka.

5.  Efapolo  taona  ialahy  vomanga  novoasana           )
     Dimapolo  taona  ialahy  sola  sy  kakasana            )   2x
     Valopolo  taona  ialahy  vorona  efa  andrasana      )
     Ankoatr’izay  ialahy  vovoka  any  am-pasana.       )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEFONA
Vangy : 3392
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : BrunoPAYET
Daty : 27/04/2015 19:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4641