Adama sy Eva (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao am-paradisan-tany, efa ela hono izany
Nisy olona ankiroa, izay rangaha sy ramatoa
Lavorary sady meva, io no ilay : Adama sy Eva
Tena (sambatra)x3, sambatra indray mitambatra

Nanafatra azy i Zanahary hoe : anjakao ny zavaboahary
Ireo voankazo fihinam-boa, atolotro anareo roa
Afatsy ny "Hazon’aina" no tsy azonao alaina
Fa io dia voarara ho Hazo Fahalalana ny Ratsy sy ny Tsara

Tonga tampoka i Satana naka endri-menarana
Voankazo iray mihevaheva no nanairany an’i Eva
Mena be miraviravy ka tsy naharitra ny vavy
(Nanandrana)x3, nahatelina vao niandranandrana

Rehefa hitany fa tsara ity voankazo izay voarara
Dia nantsoiny koa i Adama, mainka koa ilay io tsy tana
Vao nanandrana nihinana dia nitady fisikinana
Fa (nitanjaka)x3, nitanjaka tena nitanjaka

Nikoropaka ny vavy nitady ravin’aviavy
Injany indray fa nisy feo izay nisakana azy ireo
"ADAMA O! AIZA IANAO ? FA AKORY ITY NATAO ?"
Nefa io tsy nahajery fa nandositra niery
(Niboridana)x3, nirifatra lasa niridana

( intermède musical )

Tena tezitra be Andriamanitra ka nanokatra ny lanitra
Dia voahozona ny tany, tsy maintsy hisy fiafarany
Vokatry ny fahotana nataon’i Eva sy Adama
Ka mifototra, fototra, fototra, fahotana tsy mety ho tototra

Fa ny tena nampihomehy (ha! ha! ha! ) : Famantarana lehibe
Izay nahazo an’i Adama vokatry ny hatendana
Toa tavela mihazohazo ao an-tenda ilay voankazo
Paoma, paoma, paoma, hita mivongana foana

ô! ô! ô! Paoma, paoma, paoma, hita mivongana foana

ô! ô! ô! Paoma, paoma, paoma, hita mivongana foana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEFONA
Vangy : 17228
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RAZAFINDRANAIVO Harilala
Daty : 24/09/2003 08:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1404