ANY AMINAO (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Réf. Any aminao aho no hipetraka )
Any aminao aho tsy ketraka )
Any aminao any ambadika any hoa no tiako e ) 2x
Any aminao aho no hivantana )
Andeha ‘zao dia hifampitantana )
Fa any aminao any ambadika any fifaliako e. )

1. Ekeko fa toera-mangina loatra hoa ny any an
Kirihitr’ala sy lobolobo sesilany e
Lavitra ihany vao tonga nefa ataoko ahoana
Aleoko mankany, mamboly, miompy dia tsy noana.

2. Izaho ky ry lala efa tena tia fa tsy fanganga
Sonatana, dondrona nefa t sy milangalanga e
Tsy avelako ho ketraka mihitsy ny fitiavantsika
Fa hoenjaniko tahaka ny fingotra plastika.

3. Fitiavana anie ry malalako io ka lakalaka
Miraikitra tahaka ny trondro ampelatanan-tsaka e
Fa ny fitiavana iaraha-miasa mampahateza
Bolangilangina, dongadonga, ngezangeza.


LEFONA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEFONA
Vangy : 1580
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BrunoPAYET
Daty : 02/02/2015 21:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709