MPIVAROTRA KANKANA (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Raha mba miakatra Iarivo Ramano
Hatoroko toerana raha mba hitsirika hoa.
Avaratr’i garan’ ilay Soarano
No misy ny dobon’ ilay Behoririka hoa.

Mandehana ianao mba mankeny
Fa tsy ho ela akory dia hisy mpisakana hoa.
Tsy inona akory ireny olona ireny
Fa mpitady vola mivarotra kankana hoa.

Kankana, kankana, kankana, kankana
Raha ny fivelomana mafy ny ady
Kankana…
Tsy andro asabotsy, tsy andro alahady.
Kankana…
Tsy kivy mihitsy aho rehefa mitady
Kankana…
Fa kankana dia mahavelona vady.
Kankana…
Inona zato mamory vahoaka?
Kankana…
Ariary zato ny dimy kapoaka.
Kankana…
Trondro vaventy no hatao ndray mifaoka
Kankana…
Herinandro manindritra mihinana laoka.

2. ‘Reo ny mpanjono mifamezivezy
Miaramividy amin’ ny mpitsangatsangana hoa.
Mpitondra fiara manao kôrtezy
Roapolo kapoaka tsy misy mihangana hoa.

Tazako nandalo teo koa i Rondro
Nitsikitsiky nivimbina fintana ery.
‘Ngamba ho voky mihitsy ny trondro
Raha sendra mahazo ’ty kankana betsaka ity

Kankana, kankana, kankana, kankana
Ny sasany lava mikirazorazo
Kankana…
Mitovy refy amin’ ny rambom-boalavo .
Kankana…
Ireo kankanjila no vaventy indrindra
Kankana…
Sady tsy manana areti-mifindra

3. Tsy misy asa ratsy f’ izao no modely
Satria ny fiainana mantsy dia lafo.
Andeha isika ry mademôzely
Hivarotra kankana roa maharitr’ afo.

Tezitra angamba ianao amin’ izany an
Nefa atao ahoana fa mba mandefera!
Ady hono mantsy ny fiainana an-tany
F’ izay fisa-kibo tsy maintsy mianjera.

Kankana, kankana, kankana, kankana
Etsy tantanako mademôzely
Kankana…
Andeha isika hivarotra kankana kely!
Kankana…
Gaga mihitsy ny ao Analakely
Kankana…
Mivarotra kankana hatramin ’ny anjely ô ô ! ! ! (4x)


LEFONA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEFONA
Vangy : 2751
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : brunoPAYET
Daty : 03/01/2015 18:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759