FITIAVAKO ANAO RY ANONA (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Fitiavako anao ngôda be, ô ry Anona
Aiza ny lalan-kaleha ? ô ry Anona
Ny foko toa reko mandeha, ô ry Anona
Miridana toy ny pné, ô ry Anona

Réf. Injao fa manenjika anao
Miriotra ao am-ponao ao
Ny lanjany arivo kilao
Efa mila hivaha ny bilao.
Vonjeo, tsaboy
Avoty aho reroy
Vonjeo! Vonjeo! Vonjeo! Vonjeo! ) 2x
F’efa mitoreo )

2. Fitiavako anao tafahoatra, ô ry Anona
Diso matanjaka loatra, ô ry Anona
Tahaka ny vary mandroatra e, ô ry Anona
Ka lasa mitsamboamboatra, ô ry Anona.

3. Toro ny foko, ary fisaka, ô ry Anona
Resy aho ka tsy afa - mikisaka, ô ry Anona
Tahaka ny akondro voahitsaka e, ô ry Anona
Ka any aminao no miporitsaka, ô ry Anona.
Ny fitiavako anao dia mivoraka, ô ry Anona
Tsy voabatako fa mivaroraka, ô ry Anona
Lozan’ izay tsy mangoraka e, ô ry Anona
Ny foko efa mila hiantoraka, ô ry Anona.

4. Fitiavako anao re ry Tonaka, ô ry Anona
Midedaka, tena midodaka, ô ry Anona
Mivaingana be sy mibonaka ô, ô ry Anona
Ka ny lohako mihitsy no lonaka, ô ry Anona.

5. Fitiavako anao mahamay, ô ry Anona
Mirehitra toy ny kitay, ô ry Anona
Fitia mifanapa-tsinay, ô ry Anona
Ary ny ahy rehefa zany: ZAY ! Ô RY ANONA !

LEFONA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEFONA
Vangy : 1733
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BrunoPAYET
Daty : 11/01/2015 00:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2596