ZANY NO FIAINANA (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Vao teraka eo ialahy mivoaka ny vavahady )
Herintaona ialahy efa mandady ) 2x
Folo taona ialahy mandeha mibalady )
Roapolo taona ialahy lasa manambady. )

Réf. E ! zany no fiainana
E ! zany no fiainana lehity e !
Alefaso ny fisainana
Ô ô ô eto amin’ity tany ity.

2. Manomboka eo ialahy efa mahatazana
Fa ny fiainana mandroso mihamazana
Mikainko-kozatra manidinidy vazana
Porofo fa manatomotra ao razana.

3. Manao ny tsara ialahy be ny mpankahala
Manao ny ratsy ialahy tiana sy malala
Sakodim-piainana mampisalasala
Raha maty anefa ialahy toy ny zezika any am-bala.

4. Ny maraina ialahy mpitia manao firavaka
Ny atoandro ialahy miseho manavakavaka
Ny hariva ialahy miforitra mivavaka
Rehefa alina latsaka any an-davaka.

5. Efapolo taona ialahy vomanga novoasana )
Dimapolo taona ialahy sola sy kakasana ) 2x
Valopolo taona ialahy vorona efa andrasana )
Ankoatr’izay ialahy vovoka any am-pasana. )
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : LEFONA
Hits : 3288
Likes : 1 Like
Created by : BrunoPAYET
Date : 27/04/2015 19:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726