MAFY ADY (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Réf. E, e, e, e, e, mafy ady e !
E, e, e, e, e, mafy ady e !

1. Ifampitolomana be ny eto an-tany
Ka mivadibadika ambony sy ambany
Nefa ny ambany dia ambany ihany
Vao mainka tsindrin’ ny ambony ao hatrany.

2. Mivoaka maraina manao batilazy
‘Ngamba efa zatra ka mandeha ho azy
Ny ankizy hono tsy mahalala tsy misy
Fa toy ny bilao noserena amin’ ny visy.
Na mafy na mora, tsy maintsy zakaina
Ny fivelomana no antoky ny aina
Tsy misy mafy tsy laitran’ ny zoto
Mibaiko ny kibo ka mitotototo.

3. Mpanakarama ary ve mahatsapa
Mahita ny akama efa mipapapapa
Ny tena amin’ izany efa voly dia voly
Domendrina ohatran’ ny saribakoly.
Rehefa tsy misy dia tena mangidy
Ny kely eo an-tanana ndray no amidy
Ianao amin’ izany no tompon-tsafidy
Na mbola hitrosa satria mangididy.

4. Hohanina anio dia tadiavina androany
Ny ampitso koa mbola torak’izany
Tsy fidiny anay e ny ho mafy ady
Ka esoesoina rehefa mitady.

Samy efa voazara ny anjara sy vintana ) 2x
Ny sasany fara, ny sasany kintana )

Valim-piakarana dia ny fidinana )
Aoka tazoniko ny fahanginana ) 2x
Hiezaka hatrany hanao zay ho vita )
Farany ve tsy mba hety ho tafita ? )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEFONA
Vangy : 2358
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : BrunoPAYET
Daty : 11/01/2015 12:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0805