NATREHAN'NY MASOKO (Laurent RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Natrehan'ny masoko tanaty video
Ny fampijaliana namonoana Anao Jesoa
Nefa anie ny marina tsy manan-tsiny ianao
Izaho no tokony natao, nampahoriana toy izao
Tsy ianao no nanota fa izaho
Io aza ny video la passion du Christ
Mainka fa nanatrika 'ty fijalianao ty
Onena ny foko latsa-dranomaso aho
Nanolotr'aina ho ahy Ianao
Matoa niaritra toy izao
Lehibe loatra ity fitiavanao

Kanefa anie jereo izaho ilay navotanao
Fa dia minia manao izao rehetra tsy fanaovana
Ka nanadino ilay niarim-pahoriana
Nanombo anao indray tamin'ny hazo fijaliana
Fa ny zavatra natao dia mampalahelo
Izaho mihitsy ilay petera nanda anao in-telo
Te hisitri-belona aho ka ho any an-davaka
Ô ry havoana mianjerà
Faingana re rakofy aho
Sarony aho fa ratsy fanahy.

Fa raha tsy noho ianao tsy ho avy hiantso ny marina aho
Fa ny mpanota izay mibebaka ho hanarina
Dia efa taiza loatra Tompo hatrizay
Angamba efa nijaly tanaty ago mahamay
Ry Tompo o, ny fahotako re mba sarony
Mifona mivalo fa tsy hamerina intsony
Ka tsy ho very maina 'lay rà nalatsakao
Tompo ô manomboka izao.
Raiso aho ho olom-baovao
Mahazo mahatoky ahy Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Vangy : 1521
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fanaja Mandranto
Daty : 11/05/2019 09:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727