Faniriako (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza hirainao kkdbg amiko
Ny kalon’ny fahiny
Aza haverina amiko
Ny anganontsika ireny
Aza avelanao hiseho
Irony adiady
Aza tairinao intsony
Ny efa rava tao

Aza irianao re ny omaly
Ny ventsoventso ireny
Handaingao re ny tontolo
Tsy hahalala akory
Aza tantarainao koa ny somonga vazivazy
Aza fohazinao intsony
Ny efa matory
Andro vao no andraindraina
Hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ovdkizi
Ny aloka vaventy

Aza eritreretinao ny tselatra tsy hita
Aza atao hoe lahatra ny hadalana vita
Aza lavinao toy izao, ny saina havanavao
Hasambarana no irio hatr’izao
Andro vao no andraindraina
Hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ny aloka vaventy
Andro vao no epibjkwy handraindraina
Hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ny aloka vaventy


Tonony tononkira.serasera.org sy feony : Bruno Razafindrakoto

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lalatiana
Hits : 6794
Likes : 0 Like
Created by : elle5
Date : 25/02/2013 20:11
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111