Ny any aminay (Kiaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Henoy fa holazaiko anareo, fa any ambadika any ho any
Afovoan-dranomasina izy izay io no tena tanananay
Tanana natolotr’ I zanahary, tanana toa tena tsy foinay
Andao ianao mba ho entiko any, fa ho gaga tokoa angamba ianao

Andao eh! Fa ho faly ianao
Izao dia izao e! aza kamo ianao
Raha ho any e! ho tamana ianao
Malagasy eh! Izahay no ao
Ho hitanao e! ireo mpilalao
Miakanjo e! maintso fotsy mena
Fa izay eh! Sainam-pirenena
Sy ny sisa e! izay tsy voatanisa
Ieh! Ieh zalahy ieh
Aiza ianareo ehh!!!Ieh zavavy eh!

Ireo fa mikopa-damba eh Ikaky sy Neny eh
Falifaly aok’ izany e! I zoky sy zandry eh
Horakoraka toy izany e! ny tanananay eh
Finaritra aok’ izany eh! Ireo mponina ao eh
Voasarika ao daholo oh, na vahiny na tompon-tany
Hitanao ao daholo oh, izay ilainao amin’ izany
Ka n’ aiza n’ aiza aleha eh! Mba marina moa izany
Tontolo iainana tsara be eh! Mahatamana aok’ izany

Feon-kira

2) Mianavaratra ianao Antsiranana, mianatsimo ianao ao Toliary
Miakandrefana ianao ao Mahajanga, miatsinanana ianao ao Toamasina
Iarivo no ao afovoan-tany, Fianarantsoa torak’ izany
Andao ianao mba ho entiko any, fa ho gaga tokoa angamba ianao

Andao eh! Fa ho faly ianao……

Ireo fa mikopa-damba eh Ikaky sy Neny eh……
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kiaka
Vangy : 1556
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 09/07/2019 20:15
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119