MEDLEY SYMPHONIQUE- MIFAMPITANTANA 2019 (Kiaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(fitia nindramina)
Fotoana vitsy monja ihany anie
No noferanao ho ahy,mba ho anjarako
F'ilay fitia tao amponao hatrizay
Tsy navelanao ho ahy,mba ho fananako
Hasambarana fohy no niainako
Tsy mba nahitako izay nahasoa
Fa ny faniriko ny ho anilanao
Kanefa tsy mba nirinao

Fitia nindramina avy any aminao
No niainako hatrizay hatrizao
Nefa toa navelanao,toy izay fanaonao
Fitia nindramina avy any aminao
Fiainana vaovao lava izao ny anao,
Nefa izany ve no atao hoe asambaranao

(tsy sahy)
Rahoviana ihany mantsy vao tsapanao
Ny fitiavako mangina, mikotrika ao
Ianao no nofiko hatrizay
Hanasitrana ity foko efa lasanao, babonao

(ny vola)
Efa ela no nitadiavako anao
Isan'andro isan'andro izao
Tsy mba mety hamelanao
Mino aho fa tsy maintsy hoazoko ianao
Ka amin'izay andro izay
Dia ho resiko ianao
Hanaraka ahy hatrany

Mino aho fa tsy maintsy hoazoko ianao
Ka amin'izay andro izay
Dia ho resiko ianao
Ho resiko ianao amin’ izay andro izay
Ho resiko ianao amin’ izay andro izay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kiaka
Vangy : 1280
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 18/02/2019 15:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3285