Andro masina (Kiaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anio mantsy, anio tokoa
Ilay andro voafidy, andro masina
Anamasinana antsika, ho mpivady tokoa
Ka ifanaiky tsy hisaraka

Raisiko ny tananao
Fihiniko ny vatanao
Eny tiako, tiako ianao
Miakatra Avy anatiko
Ilay vavaka ho antsika 2
Miangavy aho, mba tahio tokoa

Ilay fitiavana, fitiavana lehibe
Izay iriantsika tsy hiova
Ianao no iankinako, izaho ho herinao
Atsangatsika ilay tokatrano vao

Takatra ny lanitra, ny ora mijanona
Tsy haritro ka noraisiko ianao
Nakakeziko ny endrikao
Norohako ny molotrao
Eny, tiako tiako ianao

Andro masina ny andro anio
Ho tsarovantsika mandrakizay,
Mandrakizay .......!!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kiaka
Vangy : 5234
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/09/2014 19:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2393