Izay ilay fitiavana (kiady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay ilay fitiavana

Ho felana handravaka tsy ho rava ny fotoana
Ilay fitiavana nitsimoka namoha amantaona
Sarobidy, voafidy, mendrika amintsika indrindra
Lalimpaka sy hanjaka, mandamina, mahasambatra no arindra

Ref:
Izay ilay fitiavana,
fitiavantsika roa
Hitempo iray ny fo,
hifameno hifanasoa
tsy ho rava tsy ho lo
x2

Izao anio izao no andro natokana ho ahy sy ho anao
Hifanaiky fa ianao ho ahy izao kosa ho anao
eo anatreahan’ilay nahary sy izao manatrika izao
Eny na ho mora
Eny na ho sarotra
Fifankatiavana lalimpaka ny antsika roa tsy asiana adivarotra

Ref:

Izao anio izao
no andro atokana
ho ahy sy ho anao
Hiaradia sy hifankatia
Tsy hifandao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : kiady
Vangy : 97
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mozikaly
Daty : 04/03/2024 06:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727