You are here: home > Tononkira > kiady

TSORY (kiady)

Ouh, ouh,.... ouh
Efa fantatrao, ilay ao am-poko ao
Fitiavana madio no natolotro anao
Nahoana re ianao, minia tsy mahatsapa izany
Mbola mihodiana ihany, sangy mampitomany

Ny foko mitempo ho anao , tsy miafina
Fantatrao fa babaonao dia hararaotinao

Maninona raha tsorina toy izay fitia foronina
Mankarary mampijaly
Fitia tsisy ady varotra
Manantena tsy misy no sarotra
Ambarao ny ao am-ponao ao
Sao sanatria fitiTsiky dia ampya tsy ho ahy irery

Na dia tiako aza ianao, avelao
Avelao , toa ataonao kilalao
Izay natolotro
Fandeferana misy fetra ihany
Nitia anao, nanaja anao
Fa inona moa no tsy efa natao

Ny foko mitempo ho anao , tsy miafina
Fantatrao fa babaonao dia hararaotinao

Maninona raha tsorina toy izay fitia foronina
Mankarary mampijaly
Fitia tsisy ady varotra
Manantena tsy misy no sarotra
Ambarao ny ao am-ponao ao
Sao sanatria fitia tsy ho ahy irery

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : kiady
Mpamaky : 2310
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Andy Jao
Tamin'ny : 10/08/2015 19:31:39
ID : 7631

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo