Tretrika (kiady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tretrika aho raha nizara sombim-pifaliana ho anao
Tamin'ny ora iray, tamin'ny andro iray teo anilanao
Faly aho hitory, hizara fitiavana vaovao
Na volana iray, na taona iray
Iriako loatra ny fiainana iray hiarahako aminao

Safidy ihany ilay faniriako
Ny ampiadana anao, ny ahasambatra anao
Ilay iray nofidiako satria tiako

Ianao ilay faniriako, nofidiako satria tiako
Hanamarika indray fa ho anao ny fisiako
Hisaorako ilay nahary izao rehetraretra izao
Nanomezany ahy fitiavana toy ny anao

Mahay mizara, mahay mandray (in3)

Fa ny fiainana eto an'tany indraindray mba misy ranomaso hiany
Nefa ny fahoriana, na tsy fisiana
Hifanaja hatrany

Tsisy aharava izay rehetra natsangantsika roa izany

Hanao izay rehetra azo atao aho
Hampiadana anao, ahasambatra anao
Ilay iray nofidiako satria tiako

Ianao ilay faniriako, nofidiako.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : kiady
Vangy : 7169
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MIarana rak
Daty : 17/02/2015 20:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865