Tsuka (featTchiko) (Kemyrah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kemyrah :
Vola no mahery ry niggaz
Euro sy ny Dollar no sera miainga
Vao tsisy anazy ialahy io dia dead
Tiany ialahy ho azo bobaka izy nefa saingy
Tsy misy afa tsy vola no maha rangahy
Miankina amin’ny isan’ny ny anaranla
Hatraiza ny fetran'ny hasambarana
Kobonay fa Monney no hivavahanla
Hifohazana maraina mitady anazy
Rehefa tsy misy azy ialahy mitady hanavy
Izy no mpanjaka fa ialahy tsy favy
Amonon'ialahy olona izy na mosavy
Tadidio fa ialahy io mbola ho rava
Ny biff sy ny drala mety hatonga an’ialahy io any an-dafy
Fa tadidio fa tsy misy mamy noho ny hoe
Miasa mafy
Toy izay ialahy 'ndeha hangalatra sy hanapoaka basy
Ny vola tsy ratsy, ny vola tsy tsara
Fa ialahy io mihitsy no mila mahalala
Ny tokony ampiasa azy
Ny tokony hampiasana azy
Ny vola tsy ratsy leisy, ny vola tsy tsara
Fa rehefa io no mibahana ato an-tsaina
Dia mangeja an’ialahy
Mangeja ny fiainan’ialahy

Ref :
Ny vola sy harena an’ialahy,
Fahafahana sy fangejana,
Fahasambarana sy fijaliana,
Hafaliana miampy fahoriana
Adino hoe misy lafim piainana hafa mety mahatamana
Ilay fahasambarana anaty tsy hitambarana
Amin-ny hafa adino fa misy masoandro hafa
Mampifoha mamelona fa ny olombelona
Ratsy, Sahy maty, tsy mamela
Ozatra anefa hamotehana
Handetehana hitetehana hanafenana ratsy anaty hamehana
Ho alatsaka ambany satria manelingelina

Tchiko :
Tsy maintsy tadiavina
Ny eboebo hitako mitazona ny fiarahamonina
Raha tsy misy toa tsy olona
Tsy miteny lay vola no mandrefy
Ny ambo-po takonana ny maso fatorana
Hitady fahamarinana anaty mbola hiambozonana
Hividianana fahafahana nomena fotsiny
Arovy izay kely loha tsy ho lasany any
Ka soa dia tsy miverina intsony
Ny any tsy mety tony hamotika ambonimbony mamosaka loza
Ny onja mafy ra tsy mahay miaritra lasa ny rivotra
Ny fianana manontolo midaboka any am-ponja
Apombo miady amam-bato toa mazana ihany ny hivoaka avy ato
Adina mpanarato ze mahazo miala fa mamadika
tampoka ny onjan'ilay taonjatoko

Ref:
Ny vola sy harena an’ialahy,
Fahafahana sy fangejana,
Fahasambarana sy fijaliana,
Hafaliana miampy fahoriana
Adino hoe misy lafim piainana hafa mety mahatamana
Ilay fahasambarana anaty tsy hitambarana
Amin-ny hafa adino fa misy masoandro hafa
Mampifoha mamelona fa ny olombelona
Ratsy, Sahy maty, tsy mamela
Ozatra anefa hamotehana
Handetehana hitetehana hanafenana ratsy anaty hamehana
Ho alatsaka ambany satria manelingelina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kemyrah
Vangy : 651
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kemyrah_tononkira
Daty : 17/05/2020 18:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741