Mpandalo (feat Valé Manda) (Kemyrah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kemyrah
Fiatsaram-belatsihy sa fiheverana tsy tonga fotoana
Fa toa rehefa mikipy ny mason'ny sakaiza sy ny havanao
Feno alahelo sy maloka be ny tavanao
Ilay vatany mangatsikany iny tsy ho tia
Ilay hafananao izay notadiaviny notadiaviny hatramin'izay
Hitanao fa ny tànany iny hitsotra ho mandrakizay
Izay vao nomenao ilay fitia iray
Nampifilafilainao fitiavana izy
Ianao anefa mahalala fa ny fasana tsy hamela
Sa ve maty izay vao hoe mba Ramalala
Nefa ny fahotany aza toa tsy mba navelanao
Tsy mety ve raha avadika firaisan-kina ny disadisa
Mba tsy hisian'ny nenina ho an'ireo maro an'isa
Dia tsy hiandry an'ilay fandehanana any ankoatra
Fa zaraina dieny mbola eto an-tany lesy ilay "Peace & Love"
Fifamelana, izay ihany lesy no hitako fanalahidy
Dieny mbola velon'aina lesy dia andao vitaina ny adidy
Zarao fitiavana na dia fahavalo
Tadidio fa tsika lesy mpandalo
'Zay ! kopy elah fa mpandalo lesy

Refrain (Kemyrah & Valé Manda)
Ny fiainana tsy haharitra ei e
Toy izany koa ny vola sy ny harena
Mandiha-tany ianao tsy maintsy ho lena
Fa ny hatsarana ataonao ihany no hahatsiarovana anao
Dieny izao dia tiavo ny Ray Aman-dReny
Aza menatra milaza hoe tiako ianao
Fiainana anie feno mistery
Tadidio fa mpandalo ihany hoa tsika sy ianao
ouh ouh ouh ouh
ouh ouh ouh ouh
ouh ouh ouh ouh ouh ouh
Fa ny hatsarana ataonao ihany no hahatsiarovana anao
(mpandalo ! yeah ! Aleo ihany mifanome tanana,mifanome peace
okay ! Valé Manda, Kemyrah)

Valé Manda
Mihantona foana ny fanontaniana satria hoe baraingo
Amin'ity fiainana feno ankasoparana ka nodinganina foana toa faingo
Hey ! andao asiana vali-teny tsotra sady mihaingo
Satria, izao rehetra rehetra izao fandalovana raha mbola lanitra no lolohavina
Mandiha-tany isika ry namana ka nateraka mba haka fafiny
Ao anatiny fotoana voafetra
Ka tsy aleo ve tsy miandry farany vao hifampizara ilay fitiavana lazaina foana hoe tsy misy fetra
Fa zava-poana izao sy ianao raha sanatria hoe maty vao Ramalala
Ka andao amin'izay hialana ilay fitiavan-tena sy ambo-po diso toerana
Amin'ity fiainana hiara-mahita fa tsy misy fifandeferana
Lavitra ny fitiavana marina
Ka andao ho harenina mba hiarina
Dia hiara-hibanjina mba ho lavorary izay rehetra kasaina
Ho tonga amin'ny tanjona iriana amin'izay rehetra rehetra ilaina
Hiaina an-kalalahana amin'ny fiaraha-monina
Ho lavitry ny taraina
Dia hioty foana ny harena am-pahendrena satria mamy ny miaina
Izao sy ianao ihany no hifampizara amin'ny eo akaiky amin’'izay rehetra takatry ny saina
Hifanome tanana, hifanome peace
Ho mafy ny fototra raha izany foana no hiorenana
Yeah ! Peace

Refrain (Kemyrah & Valé Manda)
Ny fiainana tsy haharitra ei e
toy izany koa ny vola sy ny harena
mandiha-tany ianao tsy maintsy ho lena
Fa ny hatsarana ataonao ihany no hahatsiarovana anao
Dieny izao dia tiavo ny Ray Aman-dReny
Aza menatra milaza hoe tiako ianao
Fiainana anie feno mistery
Tadidio fa mpandalo ihany hoe tsika sy ianao
ouh ouh ouh ouh
ouh ouh ouh ouh
ouh ouh ouh ouh ouh ouh
Fa ny hatsarana ataonao ihany no hahatsiarovana anao
(mpandalo ! yeah ! Aleo ihany mifanome tanana,mifanome peace
okay ! Valé Manda, Kemyrah)

Kemyrah
Tsisy hitoetra eto mandrakizay
mpandalo sy mpivahiny isika
Mametraka tantara dia izay
Tsy maintsy handeha hamonjy ny Paradisa
Mbola ho avy ny fotoana hialako eto an-tany
Betsaka ireo havana mety hitomany
Amin'izay fotoana izay vao ho tsapan'ireo fa ny fisian’ialahy anie ka mamy

Yeah ! Kemyrah ty, Vale Manda
Hafatra be anaty ny RAP
Zarao ny fitiavana fa aza avela miandry anazy ho faty
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kemyrah
Vangy : 666
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kemyrah
Daty : 05/12/2020 11:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0798