Aza tsaraina (Kemyrah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsisy nisafidy ny ho eto
Fa tsika samy anaty Safari
Samy manana ny adiny fa aza mody variana
Indraindray vao mitsiky fa isan'andro sento
Fa miazakaza-dava amin'ity tany ity
Miketrika ny saina fa tsy miandry an'ilay sanjila
Samy efa blessé
Samy efa narary saina
Samy efa latsa-tomany fa tsy be taraina
Samy te ho mafy be, nefa ny làlana malàma maina
De, na voa aza omaly mitsangana rehefa maraina
Vao voa ela dia faly be ny ennemis
Tsisy fianarana fiainana ety
Indraindray mitafy henatra
Satria malotoloto ny faladia
Voahala fa hoe stressé
Hoe rehefa mi-dépra de PD?
Dia tsy niteny intsony izy
Fa aleony kosa niaro ny fony yeah
Aza mitsara ivelany a
Fa tsy hita eny amin'ny endrika ny jaly
Mazava an'ny tsiky fa an'ny alina ny tomany a
Tsy fantanao
Mety hoe mihatrika ny mafy izy
Tsy hainao mety izy iny amin'izao
Ilay miandry an'ilay fampaherezanao

Ref : Samy miady amin'ny life n'iza n'iza
Samy manana ny ratrany io fa mihafina tsy hita
Aza maika ny hitsara fahatany e
Fa misy ny marina tsy fantanao
Ilay tsiky eny amin'ny endriny tsy hoe faly izy
Fa manafina ny jaly izay eny amin'ny tavany

Lazainao fa hoe niha bota izy
Lazainao koa fa hoe mahia
Nefa samy amin'ny vatany io
Izany zavatra izany oa tsy tokony ho anontaniana
Marary izy dia ianao indray no liana
Hoe toa voaraka tamin'ny asany iny?
Hoe be trosa be tsisy farany
Nefa tsy hainao akory izay blem-any any
An an an
Tena aok'izay ilay mifampitsara
Teny tsy voahevitrao iny anie ka mankarary
Ilay esoesonao iny toa isan'andro lava
Nefa tsy ny olona rehetra anie ny mahazaka an'izany
Mety hoe tsy mahatoky intsony izy vao resaka bandy
Satria connards daholo izay niaraka tamin'azy
Tsy hoe tsara paozy dia hoe vantard
De tsy izay manam-bola rehetra koa dia salama
Tsy faible izy raha hoe be taraina
Fa ny fiainana no tsy vita irery
Samy misotro ny vera misy tangena
Ilay ady mafy koa tsy mifidy tarehy
Raha olom-belona mahay mifampitsinjo oh
De tsy amin'ny fonony no tsaraina ny boky e
De tadidio fa misy tantara daholo ny olona tsirairay
De calmeo ny fo kely

Ref : Samy miady amin'ny life n'iza n'iza
Samy manana ny ratrany io fa mihafina tsy hita
Aza maika ny hitsara fahatany e
Fa misy ny marina tsy fantanao
Ilay tsiky eny amin'ny endriny tsy hoe faly izy
Fa manafina ny jaly izay eny amin'ny tavany

Samy miady amin'ny life n'iza n'iza
Aza maika ny hitsara fahatany e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0552