FANIRIAKO (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

1) Faniriako ry Jeso ny hitoetra anilanao
Ka n'aiza n'aiza aleha izaho tsy handao Anao
Hifanjohy hatrany ka hiara-dia
Na any am-paran-tany, isika hifankatia

Toa mila hanafotra ahy ny onjan-drano ety
Ka misafotofoto ny rivo-doza hatrety
Tompo O! Izany indrindra no tsy hamoizako Anao
Tompo O! Hiaraka hamindra, isika tsy hifandao

Tsy hanatahotra aho f'Ianao no fialofako
Ianao Jeso no antony ahavelomako

2) Faniriako tononkira.serasera.orgry Jeso ny hamerina indray
Ny fifaliam-panahy niainako hatrizay
Faniriako Jeso ny hanohy koa
Fanompoako Anao haharitra tokoa

Na dia mahery vaika izany fizahan-toetra
Mila handrava sy hanala ny finoako rehetra

Tompo O! Izany indrindra no tsy hamoizako Anao
Tompo O! Hiaraka hamindra isika tsy hifandao


Tsy hanatahotra aho f'Ianao no fialofako
Ianao Jeso no antony ahavelomako

Ianao Jeso no antony ahavelomako

Ianao Jeso no antony ahavelomako

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Mpamaky : 1540
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tolorantsoa
Tamin'ny : 05/01/2014 14:42:52
ID : 6444

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo