You are here: home > Tononkira > Ivoara

Raiso f'efa anao (Ivoara)

Ilay fitsikinao
Ilay fijerinao
No nahasarika ahy
Hanoroka tsy nahy
Matahotra nefa aho
F’andrao tsy sitrakao
Ka handratra fo
Mikiky ny ao an-doha
Izaho anefa tia
Iriko ilay fitia
Ho mafy toy ny vy
Ka omeko anao daholo
Ny foko manontolo
Aza avelanao hijaly
Avelao mba ho faly
Inty aho , vonona aho
Raiso f’efa anao

Tsy hataoko kilalao
Ny miaraka aminao
HatTsiky dia ampyaoko izay tianao
Raha azoko atao
Matahotra nefa aho
F’andrao tsy sitrakao
Ka handratra fo
Mikiky ny ao an-doha
Izaho anefa tia
Iriko ilay fitia
Ho mafy toy ny vy
Ka omeko anao daholo
Ny foko manontolo
Aza avelanao hijaly
Avelao mba ho faly
Inty aho , vonona aho
Ka omeko anao daholo
Ny foko manontolo
Aza avelanao hijaly
Avelao mba ho faly
Inty aho , vonona aho
Raiso f’efa anao

Mpihira : Ivoara
Mpamaky : 5889
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 18/10/2002 12:14:53
ID : 1167

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo