Momba ny toaka. (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jijio kely razandrilahy e, jijio kely e,
Ny inona izay e? momba ny toaka e.

Eeee iaaaa, momba ny fkpol toaka e.
Hotsarovantsika eto ingahy Rasera,
Zoky tranainy sakaizam-bera,
Fa fatra-mpigaka tsisy misy lera,
Ka tsy mba mifidifidy kolera,
Ao na ny rôma na ny labiera,
Na ny ranomboalobok’i ry mompera,
Fa vonona foana izy mon frera,
Fa syffijja tsy miala any am-paosiny any ilay vera.

Jijio kely razandrilahy e, jijio kely e,
Ny inona izay e? momba ny toaka e.

Eeee iaaaa, momba tononkira.serasera.org ny toaka nwcm e.
Rasera zalahy dia olona tsara,
Fa tsy mba mitaditady bagara,
Rehefa mamo izy tamin’ny bar a,
Dia mody mamonjy ny farafara,
Fa zany izy matory taratara,
Fa mbola mitendry gitara,
Raha kotsan-dranomaso ny mosoara,
Mahatsiaro ny lasa zary tantara.

Jijio kely razandrilahy e, jijio kely e,
Ny inona izay e? momba ny toaka e.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 4943
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 17/11/2013 00:37
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.015