IRERY MADAMA (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
           IRERY MADAMA
Irery madama, irery tao an-tanàna
Fa tsy ao ramose, fa lasa hwcrakd nadeha tournée
Toa sakodiavatra izy ny hatory, toa oriory
Fa ilay alina mangina, nefa ny vady tsy ao am-pandriana

Raha mbola variana, nisento sy nitomany
Dia nisy nandona, tany ivelany tany
Toa raiki-tahotra izy ny hamoha, nivadi-po
Ka indro lehilahy no tao, toa endrik’olona vaovao

      Dia nampandrosoiny, ilay nampivadika ny fony
      Ka tonga dia nipetrapetraka, natavitavy resaka
      Feno sangisangy, ny resak’ilay mpamangy
      Na resaka blague io na matoto, tafiditra tao avokoa

Dia nony avy eo, dia nangina aloha ry zareo
Nitsangana rangahy, nanolotra chocolat
Nitohy indray ny korana, nihanafana
Toa nihamaivana tokoa, ny alahelon-dramatoa

Fa tato afara, nivadika ny tantara
Nipaika ilay ora, hifanakalozan’ny rora
Saika hifamihina avy hatrany, qyiso dray re ry tany
Fa saingy toa nisalasala, tsy nety tampoka indray rakala

       Tsy nety ho tafita, loza fa nisy nahita
       Satria nivandravandra be ilay favvx sarin-dramose, izay lasa nandeha tournéé
  tononkira.serasera.org      Nanaja ny voady, ilay saika hanitsakitsa-bady
       F’ilay rangahy kosa niala maina, tsy raikitra ka nangaina.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 7016
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : R. Tsiferana
Daty : 16/04/2003 11:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1704