Safidy (version taloha) (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ahoana ihany akia, ity momba antsika ity
Fa mankarary an-doha, tokoa tokoa
Ilay Ray sy Reninao dia efa mankalao
Mamolavola fika mba hisarahantsika
Tsy miafina intsony fa mila fiheverana ny fony
Fa ianao ilay hany tiako, tsy avelany ho vadiako
Satria hono izahay dia olona tsy hay tsy hay
Toa boay mitonantonana tsy manana  fiangonana
No sady tsy aleham-pananana, ambany firazanana
Taranaka-pivazo dia hoe zaza navelan'ny mpiahaninkazo

Oh oh oh

Ndri ndri maninona moa raha mifankatia isika Roa
Koa na tarana-boanjo aho eh, fa fotom-boanemba fiatiavana no lehibe indrindra
Oh jentlisa batisa sy ny sisa aleo ho hita any amparadisa
Eny ekeko eh fa ray sy reny tompon'ny didy f'isika no tompon-tsafidy


Soa ihany isika roa, fa iray monkon-doha
Satria ilay fitia dia ho Doria
Tsy ela dia ho tonga, ireo zaza dongadonga
Toa tsy andriko izy izany fa satriko aza androany
Mba misy hitantarako izay afatrafatra ato anatiko ato
Ho atorontsika an' Ikoto fa resaka maloto
Raha izany razana izany no hisy ambony sy ambany
Holazaintsika an'Ikala fa olona adaladala
Sy andevozin'ny habadoana, izay manavaka finoana
Fa mpino tery saina, ka tsy hitako hitsony hoy aho izay lazaina

Oh oh oh

Ndri ndri maninona moa raha mifankatia isika roa
Koa na tarana-boanjo aho eh, na fotom-boanemba
Fitiavana no lehibe indrindra
Oh jentlisa batisa sy ny sisa sy ny sisa, aleo ho hita any am-paradisa
Eny ekeko eh, fa ray sy reny tompon'ny didy f'isika no tompon-tsafidy
Eny ekeko eh fa ray sy reny tompon'ny didy f'isika no tompon-tsafidy

Safidy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 13
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Beditra22
Daty : 27/02/2026 19:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0526