madame fanja (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ry Andriamanitra ray any ankôtra
oay reto mpanararaotra
mba tsokolovy sy angarangarano
fa dia mampijaly mpanofa trano,aooo!!!
tô mila ho lotika mihitsy ny foko
raha nahare fa hatramin'ny mpisoko
tranon'akoho efa goka sy tola
no ahofany ho zary fidiram-bola,aaa!!
sady tsy mbola vitan'izay
f'araraotin'izay milomay
izy amin'izao no manao lalàna
@ toeran'ny fanjakana
dia tombanany lafo dia lafo
na mitete aza ny tafo
sanatria izay andanjalanja
havany hono madame fanja

ireo tain'akoho efa an-taonany maro
tsy maloto f'ity no fantaro
fanahiniany tsy natao dalazy
fa odi-parasy tsisy toa azy,aiii!!!
marina aloha fa tsy misy ny rano
fa ny paompy ao antsinanan-trano
ampiditra jiro,atao inona moa?
fa jiro pôtô eo atampon'ny loha
ny grave dia tsisy wc
fa raha poritra ianao dia
manokonoko eny rehetra eny
tsisy bedy tsy misy miteny
tena mbola tsy misy lay dosy
rehefa mahandro makà sisi-tosy
azafady raha mianjahanja
havany hono madame fanja

manarak'izany raha hiditra ianao
dia ity ny fitsipi-dalao
raha sahirankirakirana aloha tsy mandeha
fa ambany @ tany ny fiche de paix
ilay hofa-trano tsy misy hoe nahôana
fa tsy maintsy misondrotra foana
raha kanosanosa ka tsy ahaloa
mandana hateveno ny akamasoa
raha zay resaka reparation oa
aoka hazava dia atention
fantany ny azy hofatrano tsy banga
n'inona n'inona zava-mitranga
fa na misy ny hidirana angano
na ho faty zeraan'ny trano
tsy hasiny sira,reveny manja
sipany hono madame fanja
ô rafanja ô!ô rafanja a!!!
--------
Rohy:
Hevitra
dahfara ( 18/12/2014 17:56)
milay kosa io vazo io an !!!
ifanihy tena mbola hafa raha vazo miteny. ! !
ketta ( 09/11/2015 10:01)
Sao mba misy mahalala ny tonon'ilay hiran'Ifanihy, misy ny hoe " Fa ny anao ny zava-tsoa, tsy mba foinao hampiasaina, fa iandrasana andro iray, nefa raha ianao anie dia efa tsy fampiseho vahoaka, mbola iandrasana andro iray, andro iray...... ho entinao any amin'ny elo "

hira mitantara ny olona iray zay tena kahidy izy io.

Marihina fa hira niarakaraka tamin'ny Mme Fanja ihany izy io.
2008-2009 teo no nandrenesako azy io voalohany

Misaotra ô
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 3242
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : tojodama
Daty : 15/12/2014 20:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751