Ifanihy

Nampiditra zakony
17/11/2003 07:49
Hiran'i Ifanihy 36 Jereo eto
Vangy : 11931
Mpankafy : 0 Ankafizo
hatramin'izay naha ifanihy azy ary dia nihira hira toa natao mahatsikaiky izy , rehefa tena dinihina anefa dia miaro anatra izy ireny. Navahany manokana ny fisaorana ireo "akama saridegany" rehetra ao am vol.2, manamarika ny aingamapanahy entin-dRanamana mamorona hira.
Namoaka ny vol 3 izao ary Ifanihy, misy ny hira miverina ary misy kosa vaovao. Efa nandrandrain'ny mpankafy moa ny hira "foitran'ny vadin'Ingahy polisy" nadika avy amin'ny hiran'i George Brassens "le nombril de la femme de la police" saingy tsy nivoaka indray. tsy fantatra mazava ny antony, toy izany koa ny pikakely.

Hevitra momba an'i Ifanihy

(06/02/2003 13:21)
RANDRIAMANANTSOA Harison Roland no tena anarany ao amin'ny karapanondro, telo aloha izao ny zanany : roa lahy no voalohany ary vavy kely iray. Tany amin'ny taona 80 tany ho any no nisy ny tarika FANIHY. Naka ny gadon-kira avy any amerika latina izy ireo tamin'izany (Ilemena, etsy ho tantanako indry, Lakam-pitia, Sodina volotara ...) ka nanjaka betsaka tamin'ny mozikany ny sodina. Nandalo fotoana sarotra ny tarika tato aoriana ka betsaka no tsy afaka nanao mozika intsony noho ny antony maro ka nahatonga an'i Roland irery naka ny anarana IFANIHY.

Hiran'i Ifanihy (36)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115