Ilemena (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray takariva sembatsemban-drahona,
Teroa ambinan’Itsilazaina ilay falehako
Ny lakan-kely iray natopatopan’ny alona,
Nikarenjy tanivon-drano tomorin’ny oram-baratra,
Nanezakezaka ny hamonjy tora-pasika.

Nalefako teny an-tanana ny fijeriko,
Indreo eo ny mpianakavy e sasa-miandry amorom-pasika
Ny vely lamako injao manakoako,
Fa ho avy hono i Lemena ô! hitondra trondro vaoavao,
Rahoviana ihany lahy no hiverina i Lemena.

Naveriko teny anivon-drano ny fijeriko,
Indry eny i Lemena, Lemena sy ny lakany,
Natsipitsipin’ny onja ka naniditsidina,
Nony farany nilentika e rendrika tsy tazana,
Nantsoina ka dobok’onja no nanoina.

Mba nanao ahoana ny tao an-tanana,
Indreo eo ny mpianakavy mbola miandry amorom-pasika
Ny vely lamako injao mbola manako,
Fa i Lemena kosa e efa lasa nialoha lalana,
Veloma madinidinika i Lemena ,
Masina fatempatenana i Lemena.
--------
Rohy:
Hevitra
mathieueyZ ( 20/05/2016 14:14)
Indray takariva sembatsemban-drahona,
Teroa ambinan’Itsilazaina ilay falehako
Io lakan-kely iray natopatopan’ny alona,
Nikarenjy tanivon-drano tomorin’ny oram-baratra, Nanezakezaka ny hamonjy tora-pasika.

Nalefako teny an-tanana ny heritreritro,
Indreo eo ny mpianakavy e sasa-miandry amorom-pasika
Nively lamako injao manakoako,
Fa ho avy hono i Lemena ô! hitondra trondro vaovao, Rahoviana ihany lahy no hiverina i Lemena.(X2)

Nalefako eny anivon-drano ny fijeriko,
Indry eny i Lemena, Lemena sy ny lakany,
Natsipitsipin’ny onja ka naniditsidina,
Nony farany nilentika e rendrika tsy tazana,
Nantsoina ka dobok’onja no nanoina. (X2)

Mba nanao ahoana ny tao an-tanàna,
Indreo eo ny mpianakavy mbola miandry mbola sasa-miandry
Nively lamako injao mbola manako,
Fa i Lemena kosa e efa lasa nialoha lalana,
Veloma madinidinika i Lemena , Masina fatempatenana i Lemena.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 25686
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : pissoa
Daty : 02/03/2006 19:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112