Safidy (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ahoana ihany iky ity momba antsika ity,
Fa mankarary an-doha tokoa tokoa.
Irea Ray sy Reninao dia efa mankalao,
Mamolavola fika MBA isarahantsika...
Tsy miafina intsony
Fa mila fiheverana ny fony.

Ka ianao ilay hany tiako
Tsy avelany ho vadiako ,
Satria hono zahay dia olona tsy hay tsy hay
Toa boay mitonatonana
Tsy manana fiangonana.
No sady tsy aleham-pananana ,
Ambany firazanana.
Taranaka-mpivazo:
Dia hoe zaza navelan'ny mpiahaninkazo.

Soa ihany isika roa
F'iray mokon-doha
Satria ilay fitia dia ho doria!
Tsy ela dia ho tonga ireo zaza dongadonga
Toa tsy andriko izy izany
Fa satriko aza androany...
Mba misy hitantaràko
Ny vetsovetsoko ato anatiko ato!

Holazaintsika an'Ikoto fa resaka maloto
Raha izany razana izany
No hisy ambony sy ambany.
Holazaintsika an'Ikala
Fa olona adaladala
Sy andevon'ny habadoana
Ny mpanavaka finoana.
Fa mpino tery saina
Ka tsy hitako intsony izay lazaina..

Ndriii, ndrii, maninona moa
Raha mifankatia isika roa?
Ka na tarana-boanjo aho
Na foto- boanemba :
''Fitiavana no lehibe indrindra''.
Baptisa , jentilsa , sy ny sisa sy ny sisa
Aleo ho hita any am - paradisa!
Eny ekeko fa ray sy reny tompon'adidy,
Fa isika aloha tompon'ny safidy.


Tonony sy feony : Roland Randriamanantsoa 1985
(IFANIHY 1985)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 1993
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/11/2017 08:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729