tokatrano sambatra (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antoky ny fifaliako jesoa ô lazaiko Anao
Ny ankohonana niaviko raha mitodika Aminao
Rerak’izy ka atsangano manantena ny antranao
Amboary tokatrano mandohalika Aminao

Ry Jesosy itokiako, ’zao mivavaka Aminao
Mba tahio ’lay dada tiako hiombon-dalana Aminao
Mbola zavatra iriko, sy itarainako toy zao
Ny fon’ilay reny tiako, mba kasiho ny tananao


Izy ireo dia miasa fatratra manan-javatra kendrena
Ary koa manafatrafatra hitomboanay fahendrena
Tsara izany nefa Raiko, izy ireo no andrandraiko
Hila anao ho fiantsapazana mba hahazoanay fahombiazana

Fifandira-mampisy efitra alavirina tokoa
Mifanaja mifandefitra zay no maha iray tampo
Ray sy reny olona ihany mety hiteny handratra fo
Fomban-javatra eny izany zaho dia zanaka manoa

Fa na ratsy ireo na tsara tena mamiko lalaiko
Hivavahako hanan-jara fanompoana Anao ry Raiko
Zay ankizy ray sy reny miara-mankato ny teny
Ny safidinay hitambatra ka ho tokatrano sambatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 14369
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 08/11/2004 05:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765