Tena matotra (Tarika Hasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa nandrandrainao sy nantenainao
’ty adalanao ry nolalaina
fotoana maro tsy hotantaraina
fa ny anio aho vao hisy holazaina
isaorako eto izao, ny fandeferanao
nahay nizaka ny tsy nety
fa rano raraka ireny rehetra ireny
ka ny hoavy rehetra ho anao tsy misy fetra
    ka matokia fa manomboka izao
    tena matotra eo anilanao
    fa olom-baovao izao no manoloana anao
    izay lasa hadinoy sy fafao
    ireo adalana sy ditra natao
  mba miangavy anao re avelao
   fa ankehitriny izao efa haiko atao
   ny mivavaka ho ahy sy ho anao
fa nandrandrainao sy nantenainao
m m m m m m mmmm
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Hasina
Vangy : 3245
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 26/11/2007 08:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735