You are here: home > Tononkira > Tarika Hasina

Mpinamana (Tarika Hasina)

https://tononkira.serasera.org/hira/hasina/mpinamana

Toa tsy haiko ambara
Ny adin-tsaina ato an-doha
Ny eritreritro mandrara
Tsy hitia an-tsokosoko

Efa mandreraka ny tena
Raha izany manjo
Satria fitia tsy hay fefena
Mba ho an’olondroa

Mpinamana tsotra izao
Mba tsy hanananako tsiny aminao
Na mafy aza hozakaina
Raha izany no ilainTsiky dia ampya


Raha mba tsapanao rahavana
Ny adin-tsaina ato an-doha
Dia ny amin’ilay fitiavana
Efa lasan’ny teo aloha

Ny hany azoko atao
Mba tsy ho very ny fiarahana
Handeha re izaho sy ianao
Dia iray ho mpinamana

Mpinamana tsotra izao
Mba tsy hanananako tsiny aminao
Na mafy aza hozakaina
Raha izany no ilaina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Hasina
Mpamaky : 4151
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 07/02/2015 21:02:07
ID : 7143

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo