Medley (Tarika Hasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ampy angamba ny fiteny
Sy ireo voalazako ombieny
Fa tena anao anie aho,
Toa tsy ho aiko ny handao
Efa feno loatra anao aho.

Toa mitombo hery hatrany
Ny omaly resin’ny androany!
Ny hany tsapako dia izao
Dia tsy misy tahaka anao
Hadinoko izao rehetra izao.

Babonao ny foko,fa babonao
Efa babo tsotra izao!
Inty aho anjakao
Hafoiko ho anao (Hafoiko ho anao)
Ny amiko, (Omeko a...)
Omeko anao!...
....
Na ireo fihetsikao
Toa mahasaro-piaro lava izao
Fa sariaka loatra ka manahy sao lasa any ianao
Te hilaza fa hoe tia anao,
Nefa matahotra sao lavinao eo aho.
....
Fa maa aha...lahelo an-dry ny aty
Mila tsy ho tafandry
Asa ianao raha toa ahy
Fa any volana any taona
Mbola manantena foana izaho aty.
....
'Reo nofinofy hatrizay,tsy Niova sanatria
Ekeko aloha fa tsy ho lafatra (Tsy ho lafatra)
F'izay kely mba ananana,
Zay tratrin 'ny heriko dia...
Foiko omena anao.
....
Ô ry voro-manidina irony
Mba ho ento zao hafatro izao
Ny alahelo hono hoe tsy mba tony,
Manina aho fa tsy afa-mandao.
....
Ho kamboty velon-dray ve izahay?
Ka hanjeninjeny foana hitsiriritra ireo namanay
Very vahatra izahay, toy ny masoandro;
Ny masoandro vao miposaka ka hilentika sahady ho maizina.
....
Ry Neny ô, dia tsy ahita maso intsony anao anie aho
Ry Neny ô! ôôôh!, iza indray no hamangivangy ahy, hnnn!!
Ry Neny ô, izaho aty ka efa niova anie
Ireo mafy nentinao ,tsy fonjako fa fonjanao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Hasina
Vangy : 609
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 27/05/2022 22:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2647