Ampidiro aloha ny tenimiafina
Afapo (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Izay rehetra kasaiko, izay fanirian'ny saikotsy ho tanteraka avokoa
raha tsy nombanao aho,
sy notantananao, novimbininao
Ny fahefanao sy ny sandrinao mahery
nitaridàlana hatrizao
Ka isaorako Anao izao andro soa izao fa avy aminao!
Ref-
Afa-po aho manana Anao ry Jeso ô!
Mbola tsisy nahitako fifaliana ankoatra Anao
Ny fitiavanao mameno ny foko sy ny fanahy
Ny fahasoavanao mitoetra anatiko
2-Tsy hahita intsony aho fitia lehibe toy izao,
"Fitiavana Mandrakizay".
Namonjy ny fanahy, miaro sy mitahy, misahirana (ho ahy!).
Natolotrao ny ainao, nahafoy izao rehetra izao
hamonjena ty zanakao
Ka isaorako Anao izao andro soa izao fa avy aminao!
Tonony sy feony: RAKOTONIAINA Rija José
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena FianarantsoaVisites : 151
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rijajose
Date : 07/08/2025 10:00
