Mirosoa amin'ny lalina (Hanitr'ilay Fo Tia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Nantsoinao ka niainga ilay rain'ny mpino
    Natoky Anao na mafy aza ny sedranao
    Dia nosoavinao izy ry Tompo o
    ka tojo izay nampanantenainao

    Toa an'i Saoly, mba mafana fo 'zahay
    fa tsy lavorary izay mba zava-kendrenay
    saingy avo lavitra ny hevitrao tompo o
    "fitiavana" manova fo tokoa

FIV : Ilay finoana iandrandrana famonjena
        Sy handresena izao tontolo izao
        Ampitomboy ao am-ponay ry Tompo o
        HIROSOANAY AMIN'NY LALINA

3) Sambatra indrindra ilay renimasinao
    nanetry tena, nanaiky izay sitraponao
    ka fakan-tahaka ho anay ny lalany
    niaina ilay finoana lalina

    Mirosoa amin'ny lalina hoy ianao
    ry Jesoa tompo o, filohan'ny Fiangonana
    ny herin'ny Fanahy Masina tokoa
    no antoka hirotsahanay izao

FIV : Ilay finoana iandrandrana famonjena
        Sy handresena izao tontolo izao
        Ampitomboy ao am-ponay ry Tompo o
        HIROSOANAY AMIN'NY LALINA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hanitr'ilay Fo Tia
Vangy : 483
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : sumahefa
Daty : 20/11/2021 13:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2691