ho raisinao (Groupe Ny toa azy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompon’ ny Tompo Ianao
Andriamanitra Tsitoha
Mendrika ho deraina Ianao
Tsara ny Fitondranao
Nosarihinao aho izao
Jesoa Mpamonjiko
Voaantso aho izao
Hanambara ny hafatrao
Andeha aho Na dia kely sy bitika
Vonona aho izao
REF: Tefeo izahay hanahaka Anao
Ataovy ho tena mpianatrao
Ka hijoro ho vavolombelonao
Hanatanteraka ny asanao
Ka raha ho avy Ianao
Dia ho faly izahay satria
Ho Raisinao
Ho anao izay mandre ity hira ity
Mitsangana matokia
Aza matahotra ianao
Fa ny Tompo momba anao
Mijoroa koa ianao
Tanteraho ny anjaranao
Aelezo dieny izao
Ilay Filazantsara vaovao
Mandehana ianao Na dia kely sy bitika
Vonona ve ianao
REF:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Ny toa azy
Vangy : 281
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Sitrakaandraina
Daty : 26/10/2023 14:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728