fanahy masina (Groupe Ny toa azy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fanahy Masina ô midina
Atrehonao re izao fotoana izao
Hitoetra eto ny Fitiavanao Ray ô
Hiseho tokoa ny voninahitrao
REF
Fanahy Masina ô midina eto Ianao
Fanahy Masina ô henoy izahay
Fanahy Masina ô tarihonao ny dia
Fanahy Masina ô Masina Ianao

Fanahy Masina ô Henoy
Izao fivavakay izao
Ny fonay koa anie honenanao Ray ô
Ny sainay koa ho hazavainao

REF

Fanahy Masina ô tariho
Ny lalana izay ho diavinay
Ianao no homba sy hiaro anay Ray ô
Mba tsy hivily fa hanaraka Anao

REF
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Ny toa azy
Vangy : 218
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Sitrakaandraina
Daty : 26/10/2023 14:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3159