SAFIDY TSARA (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa naseho anao ny zava-drehetra
Ny Fiainana sy fahafatesana
Fitahiana sy ny ozona
Koa dia safidio :
Jeso 'Lay Fiainana, raha te ho velona
Andramo ka izahao fa tsara

Fahasambarana no tambin'ny hasasarana
Koa atolory ny tenanao 'zao anio izao

Efa nambara koa fa ny Fitiavana
Manarona karazan-keloka
Itafio Jeso 'zay tompony
Dia ho hitanao :
Ho safononoka ny fifalianao
Azo antoka ny fiainan-danitra

Hilamindamina ny hoavinao an-Tànany
Satria ny safidy tsara no noraisinao

'Reo 'zay mino ny Zanaka no hanana ny Fiainana
'Reo tsy mino ho very ka hijaly fatratra
Dia tadidio 'reo voady izay nataonao mba tsy ho levona
Ka raiso ho fahazarana ny mialoka Aminy
'Reo 'zay mino ny Zanaka no hanana ny Fiainana
'Reo tsy mino ho very ka hijaly fatratra
Dia tadidio 'reo voady izay nataonao mba tsy ho levona
Ka raiso ho fahazarana ny mialoka Aminy

Fahasambarana no tambin'ny hasasarana
Koa atolory ny tenanao 'zao anio izao
Hilamindamina ny hoavinao an-Tànany
Satria ny safidy tsara no noraisinao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Vangy : 1076
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahrina
Daty : 04/07/2018 22:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1653