FOLO TAONA (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Jeso, mankasitraka Anao
Fa tena Tsara Ianao
Ilay Rànao nanadiovanao ahy
Mba ho mendrika Anao

Tao anatin'ny ady aho, dia nomeny hery ho velona
(Marina izany e, ny Famonjeny ahy maharitra)
Raha sendra nitady aho, tsy mba niandriandry ny tolotra
(Marina izany e, 'zay omeny ahy tsy hita faritra)
'Ndraindray dia nivily aho, tsy nihambahamba Izy namerina ahy
(Marina izany e, ny Famonjeny ahy maharitra)
Satana nitily ahy, f'Izy Mpiaro Tena azo antoka
(Marina izany e, 'zay omeny ahy tsy hita faritra)

Hatramin'izay aho nivoaka ho mpandresy
Nohamarininy hatrany ny Teny Fikasany ho ahy
Isan'andro mitobaka foana, misesisesy
Tsy lany ritra ny Fahasoavany

Ô Jesosy ô, 'zao e no faniriako
Ny hanaraka Anao tsy misy fepetra no tiako
Tsy mba ahoako 'zay rehetra momba ahy
Fa tena foiko daholo hanompoana Anao

Folo taona ankehitriny e, fa tsy mba niala ny Fahatsarany
(Marina izany e, ny Famonjeny ahy maharitra)
'Zay rehetra nihafiany e, dia ho porofon'ny Fitiavany
(Marina izany e, 'zay omeny ahy tsy hita faritra)
Tsy mba nisy nahaory e 'zay tendrin'ny Fandaharany
(Marina izany e, ny Famonjeny ahy maharitra)
Tsy mba nety nikoro ô ny fiainako notantanany
(Marina izany e, 'zay omeny ahy tsy hita faritra)

Hatramin'izay aho nivoaka ho mpandresy
Nohamarininy hatrany ny Teny Fikasany ho ahy
Isan'andro mitobaka foana, misesisesy
Tsy lany ritra ny Fahasoavany

Ô Jesosy ô, 'zao e no faniriako
Ny hanaraka Anao tsy misy fepetra no tiako
Tsy mba ahoako 'zay rehetra momba ahy
Fa tena foiko daholo hanompoana Anao

Ny hosotra izay nomenao ahy
Ampiasaiko hanehoako fa Mahery Ianao
Misandrata amin'ny avo Ianao
Ka raiso ny Toeranao
Manjakà ato am-poko

Misaotra Jeso
Mankasitraka Anao
Misaotra Jeso
Misaotra Jeso
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Vangy : 1255
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahrina
Daty : 05/07/2018 10:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2513