HAY TIANY AHO (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hay ve ka dia tonga Ianao Jeso, mba ho Famonjena ho ahy
Dia nodiovinao ny lotoko, fo sy saina amam-panahy
Tsy sasatra Ianao miantso ahy, raha toa mivily lalana aho
'Zany no hahatsapako izao fa Lehibe ny Fitiavanao
Tompo ô 'zaho anio mba te haneho fa tiako Ianao
Indro ny marainako, ny andro rehetra hiainako
Tefeo aho ho fantsom-panompoana mendrika
Hanarahako Anao

Omeo ahy ny hetaheta mba hanao 'zay sitrakao
Azony aho hitoetra ka tsy hahasaraka Anao
Ofany aho Ray, omany indray, fa mila ny Fiasan'ny Fanahy
Sitrano aho anio, sasao mba hadio
Ho mendrika ny Anaranao

Hay ve ka dia maty Ianao, mba ho Avotro indray
Dia noresenao 'zao rehetra izao, mba hampandresenao ahy
NIhafy Ianao noho ny amiko, s'izay rehetra vitako
k'androany aho hiverina fa tena manenina
Tompo ô 'zaho anio mba te haneho fa tiako Ianao
Hanohy 'ndray ny Asanao Soa, ho tia koa 'reo namako
Tsy hitandro hasasarana, tsy hanandrakandrana
Ho sahy sy ho vonona tokoa

Omeo ahy ny hetaheta mba hanao 'zay sitrakao
Azony aho hitoetra ka tsy hahasaraka Anao
Ofany aho Ray, omany indray, fa mila ny Fiasan'ny Fanahy
Sitrano aho anio, sasao mba hadio
Ho mendrika ny Anaranao

Ofany aho Ray, omany indray, fa mila ny Fiasan'ny Fanahy
Sitrano aho anio, sasao mba hadio
Ho mendrika ny Anaranao

Ofany aho Ray, omany indray,
Ho mendrika ny Anaranao
Ofany aho Ray, omany indray,
Ho mendrika ny Anaranao

oo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Vangy : 1107
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahrina
Daty : 05/07/2018 10:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0803