MAHERY AHO (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny làlana 'zay diaviko Tompo ô, toa feno fitaka
Tsy mahita masoandro mihiratra
Rehefa iny aho fa potraka tsy mety tafarina
Indro Ianao manangana

Ireo Teninao dia fahasambarako
Fifaliana Ianao ry Tompo Tia
E Resy lahatra aho, raiso re ny voadiko :
"Tompo ô ny fiainako hanjakao doria"

Ny Anaranao no antsoiko, raiso aho Tompo ho Anao
Atolotro ny foko, omeko Anao hanjakao
Mahery indrindra aho fa Ianao mampahery ahy
Tsy hanan-tahotra aho fa mameno ahy ny Fanahy

Indraindray aho sempotra sy vizana noho ny adim-piainana
'Reo latsa moa dia mankarary fo
Fa tamy Ianao ka nampitraka ahy sady nanome toky hoe :
"Ianao dia adidiko."

Ireo Teninao dia fahasambarako
Fifaliana Ianao ry Tompo Tia
E Resy lahatra aho, raiso re ny voadiko :
"Tompo ô ny fiainako hanjakao doria"

Ny Anaranao no antsoiko, raiso aho Tompo ho Anao
Atolotro ny foko, omeko Anao hanjakao
Mahery indrindra aho fa Ianao mampahery ahy
Tsy hanan-tahotra aho fa mameno ahy ny Fanahy

Ny Anaranao no antsoiko, raiso aho Tompo ho Anao
Atolotro ny foko, omeko Anao hanjakao
Mahery indrindra aho fa Ianao mampahery ahy
Tsy hanan-tahotra aho fa mameno ahy ny Fanahy

Mahery aho noho Ianao Tompo ô, fa mameno ahy ny Fanahy
Noho ny Herin'ny Fitiavanao
Mahery aho noho Ianao Tompo ô, fa mameno ahy ny Fanahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Vangy : 1526
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahrina
Daty : 04/07/2018 22:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741