AMPIANARO AHO (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

Hita fa toa te hitroatra ny fonao noho izay ataon'ireo namanao
Indraindray toa mila tsy ho zakanao ka mahatonga anao hitalaho
Misento ianao, mitomany, inona ny hevitr'izany?
Asandrato ao am-ponao 'zao tonombavaka izao

Ray ô, alaviro ny masoko 'reo fakam-panahy 'zay misarika
Ampianaro aho tsy hijery olona fa hibanjina ny lanitra
Ray ô, alaviro ny masoko 'reo fakam-panahy 'zay misarika
Ampianaro aho tsy hijery olona fa hibanjina ny lanitra

Amin'izao mihemotra ianao tsy sahy, toa menatra sy mangahiahy
Tsy tononkira.serasera.orgtontosa ny asanao hatrizay fa mangatsiaka ny ara-panahy
Mitsangàna, mandehàna, f'Izy no Làlan-kombana
Asehoy fa mahery ianao, redony izao hira izao

Ray ô, alaviro ny masoko 'reo fakam-panahy 'zay misarika
Ampianaro aho tsy hijery olona fa hibanjina ny lanitra
Ray ô, alaviro ny masoko 'reo fakam-panahy 'zay misarika
Ampianaro aho tsy hijery olona fa hibanjina ny lanitra

Ampianaro aho tsy hijery olona fa hibanjina ny lanitra
Tsy ho voafitak'i satana intsony aho fa zanak'Andriamanitra
Hibanjina ny lanitra, fa zanak'Andriamanitra

Mpihira : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Mpamaky : 1078
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahrina
Tamin'ny : 04/07/2018 20:09:04
ID : 10702

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo