Aza mandeha lavitra (GPl)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza mandeha lavitra (clé: C)

Malaelo ianao mitomany ianao
Satria tsy zakanao intsony ireo adinao
Toa ranomaso foana no mikiky ny fonao
Na ireo namana heverinao hanampy aza nandao aaaaaaaaahh!!


Fiadanana sy fitsaharana
Izany foanafoana angamba no mba handrandrainao
Toa aizina aminao izao rehetra rehetra izao
Mbola misy anefa afaka Hampiadana anao

Aza mandeha lavitra ianao
Fa ny famonjena eo akaikinao
Anilanao ilay mpampiadana
Jesosy anie efa ela
No niandry ny hisokafan’ny fonao
Hidirany hampiadana anao!
Hidirany hampiadana anao!
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/gpl/aza-mandeha-lavitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GPl
Vangy : 468
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ramanampamonjyelie
Daty : 02/09/2019 17:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1152