Jesosy no Manafaka (GPl)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho izay mihira izao
Dia miaina eto @ ‘zao tontolo izao
Ny fiainana eto tomany sy hakiviana
Alahelo mamatotra anao
Be ny mitoloko migogogogo
Mitomany re lazaiko anao
Fa misy olona iray zay nalon-tena
Ho avotra ho ahy sy ho anao

Jesosy no manafaka
Jesosy no manavotra
Jesosy no manasitrana
Manala any alaheo
Mamafa ny hakivianna
Dia manolo izany ho fifaliana

Izao tontolo izao mamirapiratra
Finaritra sy mahavariana
Manintona hatrany mampifaly
Nefa manam-petra ny amin’izany
Ô! Jesosy anie indray andro any
Hisy fitsarana miezinezina
Ka dia lalana roa no tsy maintsy aleha
Helo afo sy ilay fiainana koa

Jesosy no manafaka
Jesosy no manavotra
Jesosy no manasitrana
Manala any alahelo
Mamafa ny hakiviana
Dia manolo izany ho fifaliana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GPl
Vangy : 1536
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ramanampamonjyelie
Daty : 29/01/2018 14:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1051